all about madagascar madagascar
 Food 
 Language 
 Kabary
 Proverbs 
 Famadihana 
 Fitampoha 
 Malagasy Time 
CULTURE

Kabary Famonosana

By FI.MPI.ZO.
August 2004
   A Malagasy Tomb (Photo: Julian Loader A Malagasy Tomb
Photo: J. Loader
 
   Famadihana
  
Overview
  
   Types of Kabary
  
Sao-drazana
Famonosana
Tantana
Hira gasy
Fanatrihana

Introduction

The mpanandro--Malagasy astrologer--performs some preliminary steps before the family can take the razana--the dead--out of the tomb:

- call the dead's soul to come back (because the soul has to stay in its body during the ceremony);

- slaughter an old female zebu and a black chicken (this ritual will prevent the razana from getting the people who are still alive).

Famonosana--the act of wrapping the dead in a shroud--has to be done at the tomb. The mpikabary and some family members mount the tomb first and show the dead's shrouds respecting the descendant order. The kabary is then carried out followed by shorts accounts of the razana's life.

The Kabary

Azafady tompokolahy, azafady tompokovavy fa i zandry no mody zoky hono malaina hitondra entana ary i zoky no mody zandry kosa dia ny fahalainana mitondra fitenenana, ka raha mijoro eto ny tenako dia manao azafady manembana ry andriambavilanitra, azafady miserana ry andriandahin'ny tany manatrika etoana raha hitondra fitenenana satria sady fanomezam-boninahitra anareo hitenenana izany no sady fangatahan-dalana hiteny ihany koa. Na izany aza anefa tsy entanim-pitia toa lalitra aho ka hitsabaka alohan'ny sotro ary na maika toy inona koa aza aho ny hiteny, ny toto-kena tsy fanasa, ny ravi-toto tsy fitetika ka tsy maintsy miala tsiny, miala fondro satria na dia tsy sanga hololohavina aza aho dia tsy mba ny rambo fitarika akory. Tsy mba ny hazomanga tsy afaka an-joro firarazana aho akory fa mba ny tehina fandrairay ihany. Rehefa afaka ny tsiny fanalan'ny vava sy ny fondro fanalan'ny molotra dia maivana ny teny tiana ambara, nefa ny arahaba tsy maintsy atolotra, koa dia ny hasina sy arahaba atolotra anareo dia toy ny masoandro avy any atsinanana ka ny avo ihany ny trany aloha. Lembalemba tsy mihoatra ny lempona, tendrombohitra tsy mihoatra an'Ankaratra ary avo tsy mihoatra an'Andriamanitra koa dia atolotra azy ny hasina, sy ny dera ary ny hasina ambony indrindra satria Izy rahateo no nanome tombon'andro antsika ka nahafahantsika nanao izao famadihana izao. Manaraka izany koa dia eo koa ny razana iombonana izay mitahy antsika ka anisan'ny miaro antsika koa. Amin'ny maha-olona kosa dia ao lahy ny filohan'ny nosy, ilay lehilahy vola mamoa tavoahangy, voarabe endriky ny saha ka ny tandomin'ny milenodenoka moa ny ialofany maintso mavana. Toy izany koa ireo mpitondra fanjakana isan'ambaratongany manomboka any amin'ny ambony ka hatrany amin'ny ambany indrindra izay tsy asiantsika hasiny tahaka ny voasary na ankolafiny tahaka ny akondro fa dia izy rehetra ireo no tompon-dalàna hilaminana ka anisany nahafahana manantontosa izay atao.

Tolorana ny hasina koa izy rehetra ireo ary tsy ho solafaka omen-tehina na ho potraka omen-kiraro. Tsy ho lany andro hifampikitra tandroka anie izy rehetra ireo fa mba hijery izay mahasoa sy hahatsara ny ambanilanitra. Arahabaintsika manokana koa ireo ray aman-dreny nitoto nahafotsy nahandro nahamasaka izao lanonanm-pamadihana izao. Izy ireo tokoa ny iambohava-mahefa sy atrehi-mahavita ary enga anie izy ireo tsy ho atoro voanjo hadiana fa hahalala ny mavo ravina ho ahifika. Ary tsy sanatria atao ambany maso tsy hita toa vatan'orona na ambony maso tsy hita toa tampon-kandrina ianareo rehetra tsy nahalavi-tany, ianareo havana aman-tsakaiza fonenana sy lafivalo tonga nidododo amin'izao famadihan-drazana izao, tonga ianareo nanotrona ny velona sy nanao tsara levenana ny razana, dia izao ny tenin'ireo zana-drazana manao hoe : hosoavin-janahary hono ianareo tompoko, aza marofy, ho lava velona ary ho todin'ny soa sy ny tsara amin'ity tany ity ary manodiava anareo hono tompoko ny fahasoavana.

Koa amin'izao ary tompokolahy sy tompokovavy dia ireto hitantsika ireto ny lambamena hamonosana ireo razana, tsy sanatria akory haitraitra na rendrarendra fa dia fangatahan-tso-drano sy fanambinana amin'ireo razana. Koa ity ny lamban'ny Itompokolahy Rainibeza izay ray aman-dreny lehibe teto amin'ny tanàna, iza moa no tsy nihavana raha tojo ny fananaran'ingahirainy, ary zovy no tsy ho rotidrotika fanahy rehefa injay maheno ny toritenin'izany lehilahy izany !

Ity koa ny an'Itompokovavy Rasoa, ilay ramatoa mpampianatra ny ankizy sy ny tanora teto amintsika, firifiry akory moa izay ny tanora lasa ambony noho ny finiavan'izany ramatoa izany. Ny fahitana ny fitsiky malefaka ao anaty endrika matotra dia efa ampy nampahazoto ireo ankizy sy tanora ireo.

Ity ny …sns

Atao ahoana tokoa moa tompokolahy sy tompokovavy fa ny olombelona tsy maina fa lena ary ny lena mety ho maina, fa ny maina kosa tsy ho lena intsony. Izay no fiainana eto an-tany e ! Koa manaova ny soa ho tsaroana re re olona fa na lasa aza tsy maty akory fa matory. Koa tsarovy fa raha avadiky ny tany dia vatolampy no farafara, rangolahy no tafo-trano ary tanimena no eo ambony tratra koa manaova ny marina mandrakariva re re olona a ! Atsipy ny tady any an-tandroky ny omby, atsipy ny teny any am-pon'ny mahalala. Koa ankehitriny aza avoaka ny razana dia hofonosina nefa mialoha an'izany dia tiana ny milaza fa ny manta am-bilany mila mpanokona, ny masaka mila mpandoatra ary ny voaloatra an-dovia mila mpandroso koa dia fifaliana ho an'ireto zana-drazana ireto ny manasa antsika rehetra ho amin'ny tantana rahampitso. Misaotra tompokolahy, mankatelina tompokovavy.

Other Kabary Sao-drazana | Tantana | Hira gasy | Fanitrihana

Print [ PDF ] | Share Share
Today is Saturday March 13, 2010
This page last modified Monday September 14, 2009