all about madagascar madagascar
 Food 
 Language 
 Kabary
 Proverbs 
 Famadihana 
 Fitampoha 
 Malagasy Time 
CULTURE

Kabary Hira Gasy (Third Day)

By FI.MPI.ZO.
August 2004
Printable versions: [ PDF ] [ PS ] [ txt ]

   Traditional Dance Traditional Dance
Photo: J. Loader
 
   Famadihana
  
Overview
  
   Types of Kabary
  
Sao-drazana
Famonosana
Tantana
Hira gasy
Fanatrihana

The Kabary

Azafady tompoko fa izao no tenin'ireto zana-drazana manao hoe : efa vita afak'omaly ny famonosana ireo razana ary ianareo vahoaka no tanana naira-nadray izany ary koa nanao soroka miara-milanja taminay ka nahafahana nanantontosa izany taminay. Noho izany dia faly ny fo sy ny saina satria henin-kaja ny velona ary nahazo ny anjara sahaza azy ireo razana koa dia naka mpilalao hira gasy anankiroa izahay hifanandrina eto androany ho mariky ny fifaliantsika dia ny tarika RAMILISAONA BESIGARA sy SAHONDRAFININA ZANANY izay tarika samy manana ny maha-izy azy nefa dia ataontsika adin'ombalahin'ny mpianakavy ny eto ka ny mahery tsy hobiana ary ny resy tsy akoraina. Nefa na izany aza dia indreo eo ianareo tarika roa toy ny akoholahy miady am-pasika ianareo izao ka samia ary miaro ny masony tsy ho ditsoka e ! Ary farany dia manolotra fisaorana lehibe ho anareo sahady ny zana-drazana. Mirary ny soa sy ny tsara ho anareo rehetra ary handairan-tso-drano sy ho ambinin-drary anie ianareo rehetra ireo.

Other Kabary: Sao-drazana | Famonosana | Tantana | Fanitrihana

Today is Friday November 21, 2008
This page last modified Saturday August 16, 2008