all about madagascar madagascar
 Food 
 Language 
 Kabary
 Proverbs 
 Famadihana 
 Fitampoha 
 Malagasy Time 
CULTURE

Kabary Am-bohitra

By FI.MPI.ZO.
August 2004
   Isalo National Park (Photo: E. Wichems) Isalo National Park
Photo: E. Wichems
 
   Kabary
  
Overview
  
   Examples
  
Saotra
Fanaladiana
Am-bohitra
 
Ny maty omby hono tsy mahay mandrasa, ny farara feno rano tsy maneno ary ny zohim-pahoriana tsy mahaloa-peo koa dia nataon'ireto fianakaviana hanana anjara tsy fidiny ny tenako hitondra ny teniny eto aminareo.

Hivolana eo anoloanareo àry ka manao azafady, fa sady fangatahan-dàlana hiteny izany no fanomezam-boninahitra anareo hitenenana ihany koa.

Mitondra ny fialana tsiny koa amin'izay ho ambarako eto, fa ny teny tsy misy hifantenana, tsy misy hisafidianana no nampitondraina ahy.

Hoy ny tenin'ny fianakaviana: na dia mitanondrika aza ny loha, ka mijohy ny ranomaso noho ny voina mihatra dia tsy hodian-tsy hita tahaka ny tany nahalavoana akory ianareo. Ianareo nahafoy andro, nahafoy alina, ka nifampitondra ny mavesatra taminay teto. Mandàla ny fihavanana tokoa ianareo, ka nafoinareo noho izany ny tsikalakalam-bola. Navelanareo ny asa aman-draharaha, ny fihariana isan-karazany, fa aleonareo nanao toy ny maso sy orona ka miray alahelo tamin'ny fianakaviana.

Sitraka izay nataonareo tompokolahy, telina izay vitanareo tompokovavy. Tsaroana ho tena maivana ny fahoriana, fa hifampitondrana aminareo. Ka na tsy voavalinay aza ny fitiavana entinareo eto aminay, Ilay Andriamanitra tompon'ny fitiavana anie hamaly izany aminareo tsirairay avy. Ary aoka mba ny soa sy ny tsara indray no hifanodiavana toy izao, ka ho mangidy lavitry ny fahafatesana isika rehetra…

Izao dia hiainga ny razana. Handao ny varavaran-kazo nivoahana marain-tsy hariva izy, ka aterina any amin'ny varavaram-bato, ho any amin'ireo razany nihaloha làlana azy.

Veloma ny tokatrano izay ilaozany. Masina ny farafara izay nandriany. Tratra ny ela ireo akanga sisa nanamborana. Finareta ny hazo tapaky ny akalana. Soava ny hazo silaky ny sampy. Ianareo rehetra ao atsimo sy avaratra, ny ao atsinanana sy ny ao andrefana, veloma samy ho tahian'Andriamanitra daholo, fa izay nahitanareo azy izay no farany. Veromanga noseranin-dambo RA…, ka tsy hitampody intsony fa nodimandry. Fa ao am-pasana no fara-famoiza-malala.

Ny fiara iombonana ho any amin'y toeram-pandevenana dia efa vonona daholo. Mahazo maka toerana ianareo rehetra handeha. Ianareo izay tsy afaka kosa dia anterina ny fisaorana sy ny fankasitrahana. Efa feno izay nataonareo, fa tsy sanatria fahalainana akory ny mijanona, na hahazotoana ny mandeha.

Dia ho samy ho ela velona hifanao soa isika rehetra.

Ny tsy miady anefa, hono, manome basy, ary ny tsy mandeha manome vatsy. Koa mangata-bavaka, mangata-tso-drano, fa handao anareo vetivety izahay.

Mankasitraka sy mankatelina tompoko.

Other examples: Kabary Saotra | Kabary Fanaladiana

Print [ PDF ] | Share Share
Today is Saturday March 13, 2010
This page last modified Saturday September 12, 2009