|
The Kabary
Mpamangy: Manao akory foana izato ianareo, tompoko?
Vangiana: Indreto eto ihany tompoko!
Mpamangy: Avy mamangy amin'ny fahoriana tompoko!
Vangiana: Misaotra tompoko!
Mpamangy: Amin'izao fahoriana mihatra eto amin'ny fianakaviana eto izao, ka amoizana ny vady malala, ny ray tsy foy ny hava-tiana, dia tonga eto izahay mpiara-miasa. Tonga tsy hamendrofendro, fa tonga hitondra teny fampiononana. Izay iray etrok'afo tokoa no iray dinidinika, izay iray asa iray aina. Tonga izahay mitondra ny tongotra miara-mamindra, ny tànana miara-mandray ary ny soroka miara-milanja aminareo izao fahoriana izao. Varavarana hivoahany ihany ny eto fa izahay rehetra dia miombom-pahoriana aminareo avokoa.
Tsaroana ho mafy ny fisarahana aman-tany, kanefa atao ahoana fa: misamboaravoara ny loza, miantontatonta ny atambo: isa-minitra sy isan'ora dia mihaza aina rafahafatesana, tsy fantatra izay hianjerany. Izany no anjara tsy azo andosirana, kizo tokana tsy azo iviliana, refy tsy misy iamparana. Zara hetra tsy maintsy hefaina rafahafatesana. Ny havana izay lasa dia tombon-dàlana ihany ny azy fa isika rehetra izao dia tsy maintsy handeha avokoa. Izao no andrasan'ny miankandrefam-baravarana rehetra. Ny fasana tokoa no miandry mahazo fa isika olombelona kosa miandry ny tsy fidiny.
Namoy hava-tiana ve tsy hitomany, fa toy ny rahona ny ranomaso ka rehefa mavesatra izy dia mirotsaka. Atanjaho ny saina ry izy mianakavy, onony ny alahelo fa ny ranomaso tsy mahatana aina, ny singam-bolo tsy mahafehy faty. Tsarovy koa fa toy ny tsaramaso lohataona ireny havan-dasa ireny, tsy nalevin-ko lo fa hambolen-kaniry.
Mahaiza mionona tompoko!
Vangiana: Misaotra anareo mpiara-miasa tonga nidodododo raha vao nahare izao fahoriana izao, nahafoy fotoana, nahafoy ny asa maman-draharaha ka tonga maneho ny fiaraha-miory, mitondra ny teny fampiononana ho anay. Tsy nataonareo voin'azony tokoa izahay, fa toy ny maso sy orona isika, ka miray alahelo tahaka ny tànan-kavia sy havanana ka izay didi-maharary …
Tsy ny laingolaingom-paraky tokoa no mangidy na ny laingolaingon'amberivatry no mafaitra fa ny fisarahana aman'aina. Ny fandaozan'ny havana malala toy izao no tena mangidy sy mafaitra. Raha tonga anefa ianareo mitondra ny tongotra miara-mamindra sy ny tànana miara-mandray dia tsaroana ho mitraka ny loha, toa misindasinda ny alahelo. Itondranareo ny soroka miara-milanja ka maivana ny fahoriana. Sitraka sy telina izao ataonareo izao tompoko. Tsy mampionona tokoa aza moa mionona koa maika fa hijoroanareo toy izao. Hionona izahay, tompoko, ary mba tsy ho ratsy intsony anie no hifanodiavana toy izao, fa mba ny tsaratsara kokoa! Manantitra ny fisaorana tompoko!
Mpamangy: Mahaiza mionona tompoko!
Amin'ny fahoriana toy izao dia tsaroana ilay fitenin'ny Ntaolo manao hoe: raha avy izay fahafatesana dia aza avela hivarina aman-tany ny maty fa fonosy lamba, ary aza avela hifi-dranomaso ny velona, fa omeo ranombary hosotroiny. Noho izany ry izy mianakavy dia manana andraikitra amin'izao fahoriana izao izahay, noho ny fehim-pihavanana misy ao am-piasana. Tonga izahay manantateraka izany eto ka mitondra ny solon'ny fao-dranomaso manorika amin'ny tava sy ny singan-dandy ampombaina ny maty. Mitondra ihany koa ny fialan-tsiny ho an'ireo izay tsy afaka mijoro eto ankehitriny noho ny antony maro, na izany aza anefa ny fo amam-panahin'izy ireny dia miombona alahelo aminareo tanteraka. Koa aza misosoka alahelo intsony tompoko!
Vangiana: Dia mbola manantitra ny fisaorana ho anareo izahay, fa zava-dehibe tokoa no ataonareo. Ny tenanareo efa tonga nitondra ny teny mamy ho fampiononana. Tsy vitan'izany fa mbola mivimbina koa ny vola aman-karena ho solon'ny fao-dranomaso mijohy amin'ny tava, mitondra koa ny singan-dandy ho an'ny maty. Lehibe ianareo ka tsy ho telinay fa raha izao ataonareo izao dia tena sitraka enti-matory ary telina enti-mifoha tokoa. Ny amin'ireo tsy tonga indray dia tsy misy tsiny mihitsy, fa ianareo efa mahasolo toerana ny rehetra. Efa feno izay nataonareo, ka ampitao any amin'ny namana sy ny ankohonanareo avy ny fisaoranay.
Ho mangidy lavitry ny fahfatesana daholo anie, hidifin-doza, hiheren'atambo, ary ny vola aman-karena niala taminareo hihonitra zato heny. Koa dia misaotra indrindra tompoko.
Mpamangy: Raha ny rariny sy ny hitsiny dia tokony hiara-hipetrapetraka aminareo eto izahay, nefa moa noho ny maha-fotoana fiasana dia, ny asa aman-draharaha lolohavina fa ny fihavanana kosa vimbinina. Koa dia mangata-dàlana hitsaitsaika handao anareo izahay tompoko.
Vangiana: Ny mandeha tsy laina, ny mijaonoa tsy zoto, ny adidy aman'andraikitra koa mbola maro sahanina ka omen-dàlana ianareo tompoko.
Mpamangy: Mandray tànana ny olona mipetraka, ny eo aloha ihany, no sady manonona ny teny fampiononana indraim-bava dia mitsaitsaika mivoaka.
Other examples: Kabary Saotra | Kabary Am-bohitra
|