|
|
| CULTURE |
Kabary Saotra |
By Mainty
June 2004 |
|
Printable versions: [ PDF ]
[ txt ]
|
|
|
| |
A Betsileo Man
Photo:
C. Leroy
|
| |
| |
Kabary |
| |
|
| |
| |
Examples |
| |
|
| |
Introduction
The example bellow comes from the region of Fandriana in the province of Fianarantsoa. This is a kabary used during a famadihana ceremony--a Malagasy custom of giving new shrouds to the dead--in order to express gratitude to the crowds. As I stated in the overview, kabary is only spoken in Malagasy language, so I put the example in its original form since it's quite hard for me to translate all proverbs and word play in English.
The Kabary
Salanitra ny ambany lanitra
Ny alavitra manatona
ny akaiky misintaha kely
ny lava manongahela
ny fohy mitsangana
Sao mifanakona koa mifanao hoa :
Ia moa izay nitarona tao izay ?
Tsa mba hiserana aho vao hanao mbay lalana,
na handikadika vao manao azafady
Koa ny voalohan-teniko dia azafady
Ny teny hoe Azafady dia fangatahan-dalana sy fanomezam-boninahitra
Fa tao ny ray aman-dreny
antara nahamamba,
dibo nahafananina,
voarafy nahahorovana,
Ambohimanga nihary an'Imerina,
Izy ireo ro kitapo nifonosana,
nitondra folo volana,
nisotro rano tsa tiana,
niankin-drindrina irery,
namaham-bary tsa nanofina,
niampofo tsa nanilana,
nibaby tsa nanenjika,
nitaiza nahalehibe.
Ao koa ny zokibe toa ray, fa re nitsivalana ireo tsa ary aho ;
koa eo anatrehany dia kongona an-keliky ny aombilahy aho,
tsikirity momba fody,
tsa tompon-dia fa mpanaraka.
Voana ao koa ireo andriambavilanitra,
vodivona nitera-dohasaha,
lohasaha nitera-doharano,
loharano nitreka ny ony.
Tatamo ravaky ny farihy,
rado ravaky ny vozona.
Ary ao ny zandribe mahaleo, mahalasana,
voatavo toham-baliha,
tandroka miaraka amin-tsofina,
amin'izy ireo ny vato nasondrotry ny tany,
ny trafo nasondrotry ny nofo,
sy ho anakandriana any afara,
hiserana eo anoloan'ireo koa tsy maintsy manao mbay lalana
hiteny eo anoloan'ireo koa tsy maintsy manao azafady.
Tsa dia misondro-mandry noho ny betsaka aho,
na mialoha lahy toa varavarana ;
tsa mitalombalomba toa lahim-bahona,
nefa lavo alohan'ny sasany,
na hisarika toa lahin-kerana,
koa ho vaky alohan'ny raviny.
Fa ao ny vato nasondrotry ny tany,
ao ny vivy tompon'ny rano,
ao ny akondro tompon'ny rivotra,
koa ny raviny no hikarantsana,
ary ao ny ray aman-dreny tompon'ny teny.
Tsa dia malady ofana toa amalo-kely aho,
na mandeha tsa voizina toa lakan-jejo ;
fa ny kely vatsy mitataka aloha,
ary ny azy trafony, ny ahy tehezany.
Fa izao teny izao tsara tso-drano tamin'ny ray aman-dreny,
koa maivana tahaka ny raty, ary anaranako fo.
Koa anefa naky izany aza,
ny aombilahy, se hitraina, miala saron-tandroka ;
ny akoholahy, se haneno, miala kopakopaka ;
ary ny akohovavy, se hanatody, miala faditra ahitra ;
koa ny zanak'ona se hiteny, miala tsiny miala fondro.
Fa ny tsiny maiva-mavesatra,
tsa zakan'ny teo aloha,
ka ombako tsa mahazaka.
Fa zava-mandoza ny tsiny, ary be ny filaza sy fanoharana azy.
Koa tsa hanao rano menatra lakana aho,
na hanao vato manoha riana ;
fa ny ony roa tsa milotra,
ary ny sata-tany samy hafa,
koa tsa haiko ny mangala ny tsinin'ny hafa,
fa miala tsiny amin'izay aloaky ny vava.
Koa izao teniko izao, re mikoa any ivelany,
ambaombao manondrotra ;
re mirobaka anatiny,
anareo ve hisaka ny lelako !
Koa ambony ny tsiny tsa hanindry ahy,
ambany tsa hamingana,
aloha tsa hisakana,
afara tsa hangozotra,
andaniny roa tsa hanery.
Fa ny vary faohina aza misy raraka,
ary ny teny maro tsa laozan'ny ota.
Koa re misy tsa mety izao teniko izao, ario,
fa ny tainako ro aza ariana.
Ny hasina sy arahaba ary fisaorana an'Andriamanitra,
vody hena tsa minga aloha fa tsa sanatria hadino.
Ny andro iray ihaonana, hoa hoatra ny andro zato.
Koa anefa ny masoandro lany lanitra,
moa ny tarona an-doha raha tsa ho nany ;
koa ho tsorina ny resaka momba ny hasina :
ny tonga any tsa hitampody,
moa ny aty tsa hiverina ilalana.
Izay ro ela, hoa ry zareo mpikabary ...
Fa mangata-tsaotra ahatany amin'ny anadahin-dreny.
Tsa mitsangam-pe lava aho,
na mangaika fe avo feo ;
tsa mba ny maranitra handidy,
na ny malady havanana,
fa ny manandrify tsa miolaka,
ny zara tsa omen-kafa ;
ny anaran-dray tsa afefy,
ny vady tsa feri-mangataka.
Koa naky voatavo tsa mifandraka aza,
mijoro fa solon'ona,
hitondra ny teny indraim-bava sy ny rano indray mitete
anay tapia sisan'ny afo
fa anay tsa mahidy saotra
Ny isaoranay voalohany dia anareo lehibe maro ,
tompon'ny anaran-dray.
Fa ny goaka nao tsara feo hoa,
tsara fonainana any Voatamavo ;
ary ny vorondreo nao tsara feo,
tsara rivotra eny Miandrana ;
koa izy mianakaby nao hoatra an'izao,
tsara tohanareo tany ama-monina
Fa anay mpiteraka madina, nandefy nankaty;
fa anareo ro mpitaiza, anareo ro mpanolokolo,
re nilaozanareo vato kiboribory,
tsa manan-tongo-kitsipaka,
tsa manan-tanan-kandrangotra.
Nefa nampianareo, notohananareo tamin'ny velom-po,
koa he izao : kilonga tapatapany ireny,
tonga ona mijokajoka !
Fa tsa mba nanao aombilahy an-jorom-bala,
na nanao kely tsa mba mamindro,
tsa nanao zanak'ikalahafa anareo.
Ho ela vantony, ho ela varivariny,
ho intelo miofaka koa vantony ihany,
ny andon'ny lanitra, ny tsiron'ny tany,
ho aminareo, Tompokolahy !
Ho vy, vato ny firaisanareo;
ho aminareo ny fiadanana, Tompoko o !
Koa izao dia mitodika amin'ireto zana-drazana fa alefa ny saotra.
Koa izao saotra izao,
an-tany tsa ho paohin'ny riaka,
an-danitra tsa habon'ny rivotra ;
tsa hiafitra amin'ny vato,
tsa hiafitra amin'ny hazo,
fa hiafitra amin'ny tainanareo mianakaby.
'Any ianao Andriamanitra, Andriananahary,
nahary tongotra, nahary tanana ;
any anareo Razana amin'ny lafin-tany efatra,
indrindra fa ny eto anivo,
izay mitsinjo sy mitahy andro aman'alina :
avia manatreha anareo,
koa hanambina an'ireto taranaka ireto izao saotra izao :
Koa izao no saotra ataonay :
'Maroa fara maroa dimby anareo,
'miteraha fito lahy, fito vavy,
'hendre zaza tezaina,
'hiantitra amin-jaza manam-panahy,
'ho amin'ny valo lahy salama,
'salama tsa harin-koditra ;
'ho amin'ny arivo lahy mitan-tehana,
'hanarivo ao an-tany zehy.
'Tsa hikibokiboaina manana ny marina,
'tsa handefitra manana ny rariny.
'Hangidy lavitra ny faty,
'ho mamy tian'ny vola,
'ho tian'ny tsa tia,
'ny tia dia tia rahateo ;
'ary re misy misopatra anareo,
'manaova hoatra ny lahim-bahona :
'tsa tratry ny ora midona,
'fa naky tratrany aza halazo.
'Manaova hoatra ny vomanga :
'an-tany hanin'ny boarika,
'mitranga taingofin'ny akoho,
'hadina silaky ny angady,
'andrahoina oroan'ny afo,
'an-tsahafa ifandrombahan'ny bodo sy ny adala,
'hodiny aza voana hanin'ny kisoa.
'Ho velo-miriaria anareo.
'Veloma hoatra ny vato :
'anaty rano tsa hohanin'ny voay,
'an-tanety tsa hangalarin'ny ona,
'tsa ho rota tsa ho nany sisina,
'tsa hamidy tsa hanefa trosa.
'Beza vola, beza fananana amin'izany.
'Lava tandrok'aomby ho aodin'ny hainatra,
'beza taora-mololo ho aody mosary,
'hihomokomo-dronono,
'hihoza maso-tantely,
'hitsipi-drano eny an-kaoka,
'hanao vary anana tsinain-trena,
'hanao ambony vary zanak'omby,
'hanao kitsindry vola farantsa,
'hanao vava vola ariary.
'Manana ny voamena bevohoka,
'hiteraka vafitoventy isan'andro ;
'ariary hiteraka kirobo,
'zato hiteraka folo,
'arivo hiteraka zato,
'alina hiteraka arivo,
'tapitrisa hiteraka hetsy.
'Hampiady ny aombilahy mahavoa anareo.
'Hitery ny tamanana be tohatra.
'Tsa ho diso sambatra.
'Tsa hilaozan'ny mananjara.
'Hisakelika akondro mibaby tantely,
'Koa izay hilavoana mamy aby'
Izao saotra izao,
re an-drano no mikonaina dia zaza izay ;
re am-bata ro mikarantsana dia vola izay ;
re am-bala ro mima dia aomby izay.
'Aza diso aza solafaka.
'Tsa haniry ona fa hirin'ona ;
'ho mamy hoditra tian-drafozana :
'homeny manokana voa miara-mizara amin'ny be.
'Ny taranakareo izay mianatra,
'tongava amin'ny ambony indrindra'.
Ambony izao saotra izao,
ho eo amin'ny trafony :
ho eo an-tampony mandrakariva anareo ;
ho eo am-povoany, ho eo amin'ny tsivalany ;
tsa hitsivalana ny ratsy nataon'ona ;
ho eo ambany, ho eo amin'ny tratrany :
hahatratra ny farany anareo mianakaby.
Koa mangitsingitsia manaranara !
Hambinin-tsaotra, Tompokolahy sy Tompokovavy !
Source: Kabary Betsileo - Edisiona vaovao  &   Riba Malagasy
Author: Pr. ANDRIAMAMPIHANTONA
Author's Address: Voaingnana-Sahamadio-Fandriana (Madagascar)
Year: 1984
Other examples: Kabary Fanaladiana | Kabary Am-bohitra
|
|
|
|
|
Today is Friday November 21, 2008
This page last modified Thursday August 14, 2008
|
|
(*) All external sites are given for your information only, and each of them will open a new browser. Tranofalafa does not endorse external sites, and assumes no responsibility for the content of those sites.
|
|
|