|
Introduction
Sao-drazana--the money bestowed upon the family by the guests during famadihana ceremony--is often given by a group of people who choose one person among them to do the kabary. The guests and the family greet each other first, before the mpikabary--the orator--speaks.
It's important to note that sao-drazana be given before the reburial but not after.
Here is an example of kabary (in Malagasy) used when giving sao-drazana. The guests'mpikabary speaks first.
The Kabary
Mpikabary: Manao azafady tompokolahy sy tompokovavy, raha mijoro tsy hanontaniana toa horonan-tsihy eto ny tenako, tsy mbola ilay fanoto natao hahafotsy koa anefa aho fa mbola ilay tahony kely milanja ny voany ihany. Ary noho ny teny tsy ifandrombahana ary ny volana tsy ifanosehana dia izao no nasain'izy ireo hitondra ny fitenenana eto anio, teny nomena e tompoko ka mahasolanga fa raha tsy nomena dia mahajoko. Na dia nomena ahy toy izany aza ny fitenenana dia miala tsiny aho satria izay miteny tsy afa-tsiny, izay atao rehetra savihin-doza avokoa ka ialako ny tsiny. Amin'izao fanetsiketsehanareo ny taolam-balo izao ry izy mianakavy dia hita tokoa fa tanteraka aminareo tokoa ny hoe nitoto ianareo ary nahafotsy, koa amin'izany indrindra dia tonga eto izahay izay tsy hafa fa ny trano atsimo sy avaratra aminareo ihany, tonga miombona hafaliana aminareo koa dia manatitra ny sao-drazana izahay tompoko ho mariky ny hafalianay.
Tompon-trano: Misaotra indrindra anareo tompoko satria isika izao tokoa no toy ny molo-bilany ka indray mihodidina ihany. Dia ankasitrahana eto tokoa izao firaisan-kina lehibe asehonareo izao fa dia tsy ho voavaly tompoko fa dia ao Andriamanitra sy ny razana hamaly azy aminareo. Samy mba ho ela velona avokoa isika mianakavy ary ho ambinin-drary sy mba andairan-tso-drano avy anie isika tsirairay avy, ny mpamboly hahavokatra, ny mpiompy hahavanona, ny mpitaiza ho tojo zaza mpanoa, ny bevohoka manaova mora, ny tsy manambady hahita ny anjarany ary ny manana tokatrano maharena tokantrano. Sitraka enti-matory tompoko fa dia ho valiana rehefa mifoha.
Other Kabary: Famonosana | Tantana | Hira gasy | Fanitrihana
|