all about madagascar madagascar
 Food 
 Language 
 Kabary
 Proverbs 
 Famadihana 
 Fitampoha 
 Malagasy Time 
CULTURE

Kabary Tantana (Second Day)

By FI.MPI.ZO.
August 2004
Printable versions: [ PDF ] [ PS ] [ txt ]

   Aloalo (Photo: Julian Loader) Aloalo
Photo: J. Loader
 
   Famadihana
  
Overview
  
   Types of Kabary
  
Sao-drazana
Famonosana
Tantana
Hira gasy
Fanatrihana

The Kabary

Tompokolahy sy tompokovavy, manao azafady raha hiteny indraim-bava aminareo fa dia nomen'ireto zana-drazana anjara fitenenana eto ny tena, toy ny tolo-kena avy amin'andriana izao tompoko ka fady izay hozinara. Izao tompoko ny hafatry zana-drazana aminareo manao hoe : lehibe loatra ianareo ka tsy azo atelina fa raha izao ataonareo izao dia sitraka sy telina tokoa. Ianareo izao tokoa hono tompoko, no tonga amin'ilay fitenenana hoe : ilay olona miloloha tantely, misakelika akondro, mitehina fary ary manao am-paosy vatomamy ka dia mamy avokoa ny any aminareo rehetra. Ny trano no mijoalajoala dia noho ny fototra, ny vovonana no tsara fipetraka dia noho ny tolàna ary izao lanonana izao no tanteraka dia noho ny fanotronantsika mianakavy teto koa dia ho lava velona anie ianareo rehetra ary ho todin'ny soa sy ny tsara amin'ity fiainana ity. Manaraka izany indray dia mbola narahinareo vola aman-karena izao ary koa narahinareo fotsim-bary sy omby ihany koa ho sao-drazana ka dia tsy hihinana voamanadino izahay tompoko fa hitelina voamahatsiaro ka hahatsiaro lalandava ny soa nataonareo taminay. Ho tahian'Andriamanitra anie ianareo ary tsy ho diso anjara amin'ny razana. Koa izay ary tompoko ny sakafo mahavelona ary mba tsy hanaovanareo maimbo rezatra dia miangavy anareo handray ny tanta-manta ho an'ny mpiandry trano. Ary farany dia miala tsiny koa raha nisy ny tsy fahalavorarian'ny sakafo teto fa dia izay no takatra hoy ilay nahandro takatra e ! Manaraka izany dia manasa antsika koa ho tonga maro hanotrona ny mpilalao roa hifanandrina eto mialoha ny hanitrihina ny razana. Misaotra tompoko ô !

Other Kabary: Sao-drazana | Famonosana | Hira gasy | Fanitrihana

Today is Friday November 21, 2008
This page last modified Saturday August 16, 2008