|
|
| POEMS |
Alina Iray |
By Mampikanto
December 26, 2003 5:51 p.m. |
|
Printable versions: [ PDF ]
[ txt ]
|
|
|
Night in Nosy Be
Photo:
Sergio
|
Ny tara-bolantsinana nandoaky ny alina
No namoaka ny tsiaroko ho any aminao,
Ilay hazavana hafakely sady sina,
No amborahako ny foko te-hitafa raha toa ka sitrakao
Ry voaly maintin'ny alina, tsy ahitako mangirana
Nahoana loatra no dia koboninao ny fony !
Izaho aty mijaly, manirery ato anaty fahanginana
Izy any zay, mandry tsy mahatsiaro ahy akory
O ! zany foko ! Te hiangavy anao ry kintana iray
Mba tsidiho zany fony … nefa aoka ihany lahy !
Toa te-hividy te-hanakalo, te-hamboly fitia mivaivay
Nefa matahotra aho, … soa fa eritreritra ny ahy
Ny fikasako tao anaty, no indrisy tsy tontosa
Ny fibosesiky ny teny mamy tiako ambara aminao nefa,
O ! indrisy ry fitiavako kanosa, nefa miavosa
Zary tsy misy dikany taminao, … ka tsy tana fa nilefa
|
|
|
| |
Today is Friday November 21, 2008
This page last modified Thursday August 21, 2008
|
|
|