all about madagascar madagascar
 Alina Iray 
 Alina Mangina 
 Antso 
 Any Ianao 
 Fantatro 
 Ho Inonao 
 Lazao 
 Safidy 
 Serasera 
 Tia 
 Tonokalo Ho Anao 
 Tsy Hita 
 Nofohazinao 
 Ity Fahantrako 
 Setrasetra 
 Tsiniko Ve 
 Ny Asa Soratrao 
 Ankalazaiko 
 Ilay Iny 
 Tia Ahy Izy 
 Fanahy Manina 
 Vovon-javona 
POEMS

Alina Mangina

By Mampikanto
August 29, 2003 1:55 p.m.
Printable versions: [ PDF ] [ txt ]

Canoeing at Dusk (C. Leroy) Canoeing at Dusk
Photo: C. Leroy
Tao anatin'ny fahanginan'ny tontolo
No angalako sary an-tsaina
Ilay tsikinao malefaka
Sy ny endrikao toa tsy voasolo

Nanajana ny safidy
Tao am-po feno fahanginana …

Tsio-drivotra malefaka
No mba hany nanoina
Ilay antso mba hanampy
Ity fo toa vaky sy hitresaka !

Feom-piara iray nandalo
No nanimba ny fahanginana
Tao anaty haizim-pito
Toa tsy laitra ihodivirana

Dia tony indray ny zava-boahary
Zary gina teo indray ny tontolo !!!

Alina mangina, alina hafa kely
Mbola ho zary misitery
Sa hifono hevi-dalina
Dia ilay fitia saro-takarina

Ny safidy nokinasa, noratovina
Toa zary lasa honahona ???

Ny ho avy andrandraina
Sanatria ho very maina
Fa ny lasa nankafizina
Toa avela ho lasa tsy voafihina

Fiainana hafa kely !!!
Nefa toa tinapaka ny fery

 
Today is Friday November 21, 2008
This page last modified Thursday August 21, 2008