|
|
| POEMS |
Ankalazaiko |
By Mampikanto
February 11, 2005 5:51 p.m. |
|
Printable versions: [ PDF ]
[ txt ]
|
|
|
Ankalazaiko ihany na dia tsy ho fantatrao
Ankalazaiko miafina ilay fitiavako anao
Ankalazaiko irery eto an-tany fandalovana
Ilay foko tia anao feno raiki-tsarim-pahatsiarovana
Ankalazaiko tokoa satria efa taona maro izay
Ankalazaiko ao anaty fahanginana indray
Ankalazaiko toy ireo taona maro ifandimby
Ilay foko mbola nitahiry ireo raiki-tsarobidy
Ankalazaiko ihany ity andro anio ity
Ankalazaiko tsara satria izaho anie mbola tia
Ankalazaiko makotrokotroka amin'ny foko manontolo
Ilay andron'ny mpifankatia mba tsy ho bobongolo
|
|
|
| |
Today is Friday November 21, 2008
This page last modified Tuesday August 26, 2008
|
|
|