all about madagascar madagascar
 Alina Iray 
 Alina Mangina 
 Antso 
 Any Ianao 
 Fantatro 
 Ho Inonao 
 Lazao 
 Safidy 
 Serasera 
 Tia 
 Tonokalo Ho Anao 
 Tsy Hita 
 Nofohazinao 
 Ity Fahantrako 
 Setrasetra 
 Tsiniko Ve 
 Ny Asa Soratrao 
 Ankalazaiko 
 Ilay Iny 
 Tia Ahy Izy 
 Fanahy Manina 
 Vovon-javona 
POEMS

Ankalazaiko

By Mampikanto
February 11, 2005 5:51 p.m.
Printable versions: [ PDF ] [ txt ]

Baobab (You and Africa) Baobab
Photo: You and Africa
Ankalazaiko ihany na dia tsy ho fantatrao
Ankalazaiko miafina ilay fitiavako anao
Ankalazaiko irery eto an-tany fandalovana
Ilay foko tia anao feno raiki-tsarim-pahatsiarovana

Ankalazaiko tokoa satria efa taona maro izay
Ankalazaiko ao anaty fahanginana indray
Ankalazaiko toy ireo taona maro ifandimby
Ilay foko mbola nitahiry ireo raiki-tsarobidy

Ankalazaiko ihany ity andro anio ity
Ankalazaiko tsara satria izaho anie mbola tia
Ankalazaiko makotrokotroka amin'ny foko manontolo
Ilay andron'ny mpifankatia mba tsy ho bobongolo


 
Today is Friday November 21, 2008
This page last modified Tuesday August 26, 2008