all about madagascar madagascar
 Alina Iray 
 Alina Mangina 
 Antso 
 Any Ianao 
 Fantatro 
 Ho Inonao 
 Lazao 
 Safidy 
 Serasera 
 Tia 
 Tonokalo Ho Anao 
 Tsy Hita 
 Nofohazinao 
 Ity Fahantrako 
 Setrasetra 
 Tsiniko Ve 
 Ny Asa Soratrao 
 Ankalazaiko 
 Ilay Iny 
 Tia Ahy Izy 
 Fanahy Manina 
 Vovon-javona 
POEMS

Antso

By Mampikanto
October 12, 2003
Printable versions: [ PDF ] [ txt ]

Nigh in Nosybe (Sergio) Lonely Bird
Photo: Sergio

Antson'ny manina izany reko any ho any
Antso te-hiampita nefa toa voafehy
O ! ry voron'iny, ilazao ilay tiako fa ny aty hoe tomany
Nefa aoka ihany ity redirediko ho lefy

Zany foko te-hitroatra, hamoaka ny ao anaty
Zany foko te-hikiaka, ny anaranao mazàna
O ! ry tiako aleoko mody maty
Sy hikosoka izato eritreritra tsy tana

Antso iray tsy misy mpanoina
Antso tokana niandrandrako valin-teny
O ! ry eritreritro tsy azo porofoina
Avilio zany saina, tsy hanantena ny eny

 
Today is Friday November 21, 2008
This page last modified Thursday August 21, 2008