|
|
| POEMS |
Antso |
By Mampikanto
October 12, 2003 |
|
Printable versions: [ PDF ]
[ txt ]
|
|
|
Antson'ny manina izany reko any ho any
Antso te-hiampita nefa toa voafehy
O ! ry voron'iny, ilazao ilay tiako fa ny aty hoe tomany
Nefa aoka ihany ity redirediko ho lefy
Zany foko te-hitroatra, hamoaka ny ao anaty
Zany foko te-hikiaka, ny anaranao mazàna
O ! ry tiako aleoko mody maty
Sy hikosoka izato eritreritra tsy tana
Antso iray tsy misy mpanoina
Antso tokana niandrandrako valin-teny
O ! ry eritreritro tsy azo porofoina
Avilio zany saina, tsy hanantena ny eny
|
|
|
| |
Today is Friday November 21, 2008
This page last modified Thursday August 21, 2008
|
|
|