|
|
| POEMS |
Any Ianao |
By Mampikanto
September 27, 2003 1:05 a.m. |
|
Printable versions: [ PDF ]
[ txt ]
|
|
|
Any ianao ry tiako !
Hianoka hasambarana ho ampoka fitia
Ny fonao sy ny azy mifandray tendro no hany fifaliako
Miondana eo an-tratrany, tsy mahatsiaro ho mania
zay no hasambarako ary koa faniriako
Any ianao ry lala !
Ho safononoky ny mamy, ho lavitry ny jaly
Ilay foko tia anao, hevero ho fo adala !
Ireo teny ankafiziko, teny mamy toy ny omaly
Omeo azy ry ilay sarobidiko, foiko ho azy ry malala
Any ianao ry ilay safidy !
Tsy hahatsiaro ny irery fa difotry ny mamy
Ny tananao sy ny azy hifampitantana sahady
Hitety irony havoana sy habakabaka any ho any
Hahita fahafinaretana, tsy safidy fa ilay didy !
Ary ianao ry ilay nomeko azy
Iangaviako, italahoako, aza ampijaliana re ny fony
Avelao izy hitia an-kalalahana, ho lavitry ny sazy
Tsy hahita fijaliana, fahoriana izany intsony
Fa mba ho ampoka fitia, fitia tena izy.
|
|
|
| |
Today is Friday November 21, 2008
This page last modified Thursday August 21, 2008
|
|
|