|
|
| POEMS |
Fanahy Manina |
By Andriary
March 18, 2005 |
|
Printable versions: [ PDF ]
[ txt ]
|
|
|
Ny rian-dranon'erika
Nanoina ny sarin-dasa
Miendrik'endrik'aloka
Mivolom-batolalaka!
Natosiky ny Lohataona
Te-hampihaona
Ny Fanahy manina
Ny lasa
Voasasa!!!
Ny tsiaro nitadidy
Nentin'itsy vonikazo
Dia nisy kiaka nanentso
Nisy hira nokaloina
Toa sarotra hiraina
Tsy niloaka imolotra
Fa nambabo ny fanahy
Na dia laon'ny saron'andro
Tsy voazavan'ny masoandro!
Nangina ny fanahy!
Naminany ny tantara
Tinosiky ny alin-taona
Efa any am-para-tazana
Sarotra tambazana
Hitoetra eny foana.
Ny tsiaro sisa afarana
Hitondra sary famantarana!
…
|
|
|
| |
Today is Friday November 21, 2008
This page last modified Tuesday August 26, 2008
|
|
|