all about madagascar madagascar
 Alina Iray 
 Alina Mangina 
 Antso 
 Any Ianao 
 Fantatro 
 Ho Inonao 
 Lazao 
 Safidy 
 Serasera 
 Tia 
 Tonokalo Ho Anao 
 Tsy Hita 
 Nofohazinao 
 Ity Fahantrako 
 Setrasetra 
 Tsiniko Ve 
 Ny Asa Soratrao 
 Ankalazaiko 
 Ilay Iny 
 Tia Ahy Izy 
 Fanahy Manina 
 Vovon-javona 
POEMS

Fantatro

By Mampikanto
August 18, 2003
Printable versions: [ PDF ] [ txt ]

Isalo (K. Lehmann) Isalo
Photo: K. Lehmann
Fantatro fa tsy ho ahy …
Hadalana angamba ny ahy !
Nefa ho avy ny fotoana
Ialako indray ny saona,

Mangina no hany fanafana
Itelemana ny ngidy
Tsy didy ny ahy fa safidy
Hisedra indray ny fasana

Fantatro fa tsy ho ahy
Ity vatako toa manahy
Toa zary mangina sy moana
Raha mahatsiaro ilay fotoana

Fijaliana, fihafiana
Mety koa ho fahoriana
Ny fandaozana ny tany
Ilay safidy tany ho any …

Fiainana izany hoy ianao
Angamba, nefa toa zary kilalao !!!

 
Today is Friday November 21, 2008
This page last modified Thursday August 21, 2008