all about madagascar madagascar
 Alina Iray 
 Alina Mangina 
 Antso 
 Any Ianao 
 Fantatro 
 Ho Inonao 
 Lazao 
 Safidy 
 Serasera 
 Tia 
 Tonokalo Ho Anao 
 Tsy Hita 
 Nofohazinao 
 Ity Fahantrako 
 Setrasetra 
 Tsiniko Ve 
 Ny Asa Soratrao 
 Ankalazaiko 
 Ilay Iny 
 Tia Ahy Izy 
 Fanahy Manina 
 Vovon-javona 
POEMS

Ho Inonao

By Mampikanto
September 11, 2003 00:55 a.m.
Printable versions: [ PDF ] [ txt ]

A Man and His Son (C. Leroy) A Man and His Son
Photo: C. Leroy
Ho inonao ny amiko sy izay mba hany vitako
Raha ireo manodidina aza tsy hainao hajaina !
Ho inonao tokoa izay tsiambarateloko
Raha tontolo feno siaka sy longoa no inianao lalaina !

Ho inonao ny azy sy izay fiainany any
Raha ny ampitso izay kinasa aza tsy tianao zaraina !
Ho inonao anefa izay hany mba nataony
Raha ny tinanjona kinendriny aza toa zary hankahalaina

Ho inonao ny amiko izay tsy vitako tantaraina
Raha ny diam-peniny aza sahinao kobonina
Ho inonao, indrisy tsy vatrako zaraina
Raha ny hany fiaretany no toa isalovanina

Ho inonao ny azy sy izay mba sarangany
Raha tontolo feno fitaka no irinao iainany
Ho inonao ilay tsy maintsy andalovany
Raha ilay seranana tsinjoviny no indrisy tsisy maminy

Ho inonao ny amiko sy ny tontolo izay iainako
Raha ny lasa izay tsy nety no abaribarinao
Ho inonao ny ezaka hotrinariny
Raha ny ho avy tsy tsinapa, ezahinao ankarina

Ho inonao izy iny raha osa sy malahelo
Raha longoa mitoto-bozaka no lazainao ho fahendrena
Ho inonao iky ilay bainga voavadiny
Raha vela-pandrika no solo-dinitry ny tavany

Ho inonao moa izay kapoaka hosotroiny
Na mangidy tsy teliny aza tsy ho tsapanao mihitsy
Ho inonao akory izay vesa-patiantony
Na ilay fara-heriny aza toa inianao hitsiana

Ho inonao ilay fahamarinana notinanany
Raha nosalovanao tamin-kolikoly miampy tamby
Ho inonao ilay hany ravaka diamondra
Raha ny ratrany ao anaty, inianao atao fanamby

Ho inonao izay izaho raha kivy sady ketraka
Raha fandrika sesehena no asainao izorany
Ho inonao ilay fahafoizan-tenako
Raha satro-boninahitra efa vasoka no omenao hanaovany

Tsisy dikany aminao ireny rehetra ireny
lay fitiavana zarainy, ezahinao hankahalaina
Ho inonao tokoa, izay fivelarany ara-tsaina
Ho inonao indrisy, mahonena ilay fiaina

 
Today is Friday November 21, 2008
This page last modified Sunday February 25, 2007