|
|
| POEMS |
Ilay Iny… |
By Mampikanto
February 4, 2005 5:44 p.m. |
|
Printable versions: [ PDF ]
[ txt ]
|
|
|
Ilay erika nifafy
Toa vao maika koa nanamafy
Ilay ranomasoko tsy tàna
Malahelo anao mazàna
Iny làlana iny koa
Izay falehantsika roa
No hany mahalala
Fa ny foko dia adala
Iny volana miampify
E! saron-drahona indrisy
Saika mba alaiko ho namana kanefa
Tsy voajinery akory dia nilefa
Ilay siokam-boronkely
No hany tokana irery
Sady hany mahafantatra
Ilay fitiavako tsy fantatra!
|
|
|
| |
Today is Friday November 21, 2008
This page last modified Tuesday August 26, 2008
|
|
|