|
|
| POEMS |
Ity Fahantrako |
By Johs
January, 2005 |
|
Printable versions: [ PDF ]
[ txt ]
|
|
|
Ho lazaiko anao ve ny momba ahy ?
Ny tantaram-pianako ?
Manorisory !
Ka sao ianao lahy tsy hahita tory !
'lay zanako iray vao teraka 'zay,
kaozatina kely fa tsy ampy lanja,
tsy nisy herinandro dia nandao anay
fa tsy nahatanty tadio sy havandra.
'reo sisa mba he ! Notsimbinin'ny razana,
zara raha nianatra taona voalohany,
mirenireny, manao faingan-tanana,
ny iray efa saika voakapa ny lohany.
'lay zokiny indrindra nandeha nanambady :
lanonana tsotra an'ny mpianakavy,
naroso amin'izao tsy nisarom-boaly
ka olana be tamin'ny havan'ny vavy.
Mangidy tokoa raha dom-pahoriana
F'izany no hoe fara-fijaliana :
Ny tranovorona tsy palisandra,
Fa kesika simba no natambatambatra !
Ny tonga mamangy isaina amin-tànana
Ny fiaretan-tory tsy manasakalina
Tsy misy mofo, tsy misy kafe,
Ny hira amin'zany dia jomaka be
Tsy fomba natao tamin'ny fanitrihana
F'ilay vata hazo no saritsarihina.
Ny asako ve no tianao hofantarina ?
Batilazy, zorinia, sy fitaomana arina.
Ny andefimandry no mampalehelo
Fa mivarobarotr'eny an-joron-tsena
Mitrosa, miloka ary mitsabotelo,
'manitra ianao ! Aza mivarotena !
Ity fahantrako e ! ity fahantrako!
Marina raha tsy toy ny fako ?
Izaho ihany ve no tojon'izany
Sa misy olon-kafa 'ndray koa any ho any ?
Ity fahantrako, ity fahantrana !
Mafy sy efa dia mampitomany.
|
|
|
| |
Today is Friday November 21, 2008
This page last modified Tuesday August 26, 2008
|
|
|