all about madagascar madagascar
 Alina Iray 
 Alina Mangina 
 Antso 
 Any Ianao 
 Fantatro 
 Ho Inonao 
 Lazao 
 Safidy 
 Serasera 
 Tia 
 Tonokalo Ho Anao 
 Tsy Hita 
 Nofohazinao 
 Ity Fahantrako 
 Setrasetra 
 Tsiniko Ve 
 Ny Asa Soratrao 
 Ankalazaiko 
 Ilay Iny 
 Tia Ahy Izy 
 Fanahy Manina 
 Vovon-javona 
POEMS

lazao

By Mampikanto
July 11, 1995 - July 25, 1995
Printable versions: [ PDF ] [ txt ]

Rose under the Ocean (Sergio) Rose Under the Ocean
Photo: Sergio
Moa azoko atao
Ny haka metatra handrefy
Halavana havaventy
Izany hoe Fitiavanao?

Moa azoko fantarina
Amin-teti-drefy maripana
Ilay fitiavana tsy tana
Mba ho tsapako fa marina

Moa azoko lanjaina
Izany izy ka mafonja
Dia inoana tsy hiova
Hitondra tsiky vao maraina

Moa azoko bedaina
Mba ho ahy samirery
Hanasitrana ny fery
Sy hanala ny taraina

Moa azoko trotroina
Ao an-tratra mandra-maty
Zary sokitra ao anaty
Fitia sarotra disoina

Moa azoko jerena
Hotsapaiko mivantana
Aminao misy adana
Fitia tsy mba notererena

Moa azoko heverina
Amin'ny saina tsy miangatra
Ny ao anaty izay tsy fantatra
Izay iniana toa afenina

Moa azoko banjinina
Tsy amin'ny fo torotoro
Ny ho avy izay hajoro
Fitia izay ho andrianina

Moa azoko safoina
Amin'ny topi-maso monja
Izany izy toa manonja
Ka ho lalaina sy hajaina

Moa azoko halalinina
Ilay ao anaty izay mitroatra
Izay mipololotra tafahoatra
Izay tsy haiko fihinina

Moa azoko atao
Ny hampitraka indray ny foko
Izay nijaly nitoloko
Tao anaty haizim-pito tao

Moa azoko atao
Ny handre valin-teny
Mbola ho zary misitery
Mihaino aho fa lazao.

 
Today is Friday November 21, 2008
This page last modified Tuesday August 26, 2008