|
|
| POEMS |
Nofohazinao |
By Tina
October 19, 2004 |
|
Printable versions: [ PDF ]
[ txt ]
|
|
|
Nofohazinao ny fitiavako natory
Efa taona maro be, tsy nampoiziko akory
Toa miverina ato an-tsaiko ny zavatra efa vita
Fijaliana sy tomany, ilay izaho nipitrapitra
Mbola kely loatra aho, tsy mba nisy nanoro
Fa tia sy adala, ny foko torotoro
Raha vao mahita anao, dia tsy mahatan-damba
Fa lasa mirifatra, be fitiavana sy jamba
Fa fotoana fohy monja, fitiavana nangalarina
Tsy adinoko mihitsy, izay no tena marina
Satriko dia satriko, ny eo akaikinao
Adinoko avokoa izao tontolo izao
Asa loatra lahy no anton'izany?
Fa tsy eo anilanao, izaho mitomany
Tiako loatra ianao, sahiko ny milaza
Ho mandrakizay, fa tsy kilalaon-jaza
Mivavaka ho antsika no ataoko isan'andro
Raha vao maraina mipotsaka masoandro
Indrisy tara loatra, fa tsy ho ahy ianao
Ny vintana angamba no tsy tsara, ka nahatonga izao
Tsy mampaninona anefa, satria aho mino
Fa tia ahy ianao, ary tsy manadino
Ny fotoana niarahana, fotoana tena mamy
Nofinofy ho tanteraka indray andro any
|
|
|
| |
Today is Friday November 21, 2008
This page last modified Tuesday August 26, 2008
|
|
|