all about madagascar madagascar
 Alina Iray 
 Alina Mangina 
 Antso 
 Any Ianao 
 Fantatro 
 Ho Inonao 
 Lazao 
 Safidy 
 Serasera 
 Tia 
 Tonokalo Ho Anao 
 Tsy Hita 
 Nofohazinao 
 Ity Fahantrako 
 Setrasetra 
 Tsiniko Ve 
 Ny Asa Soratrao 
 Ankalazaiko 
 Ilay Iny 
 Tia Ahy Izy 
 Fanahy Manina 
 Vovon-javona 
POEMS

Safidy

By Mampikanto
September 25, 2003 1:15 a.m.
Printable versions: [ PDF ] [ txt ]

Beach in Tolagnaro (Africa) Beach in Tolagnaro
Photo: You and Africa
Nitsingerina ao an-tsaiko ireo lasa tany aloha
Tebiteby ahiahy, nefa toa hafaliana ihany koa
Nefa toa voatery hisafidy sa hiandry izay ho anjara
Ny tontolo izay jinery no aoka hanambara

Dia nandalo indray ny alina, tonga teo ny maraina
Toa tara-pahazavana kely no mitsidika ao an-tsaina
Ry foko ô ! Mionona manaova alahelo Hendry
Ka ekeo ho fitondrana ity anjaranao sy tendry

Safidy manadala ny saiko tia karokaroka
No nandratra indray ny foko, ka indrisy toa maloka
Ilay masoandro andrandraiko, toa takovan-drahona indray
Noho ity safidy, zary kapoka hamaivay

Ny anjara hazo fijaliako, ho zakaiko eto an-tany
No fampiononana ny foko, ka ilay alahelo sy tomany
No hiova tsiky indray rahampitso
Ka hanafaka ny tahotra amin'ilay safidy tsy ho diso

Safidy tokana no iriako handehanana
Safidy ilay ho anjara, tendry, vintana, lahatra
Safidy iray hampieritreritra manoloana ity sampanana
Safidy ho amin'ny tsara, manoloana zava-tsarotra

 
Today is Friday November 21, 2008
This page last modified Tuesday August 26, 2008