|
|
| POEMS |
Serasera |
By Mampikanto
September 26, 2003 11:35 a.m. |
|
Printable versions: [ PDF ]
[ txt ]
|
|
|
Deep Blue Nosy Be
Photo:
Sergio
|
Soa fa nisy serasera, ahafahana mampita
Ny fiainana, ny faniriana, eny hatramin'ny tsy hita
Io no hany mahalala izay fihetseham-poko
Na ny tsiky na ny faly na koa ny toloko
Soa fa nisy serasera nahafahako nahatsapa
Fa ny fitia mora maty raha tsy mbola lalim-paka
Fiezahana nitia, nakafy irony hafatra
Hay moa eritreritra ihany fa tsy misy ny tonga lafatra
Soa fa nisy serasera, hitafako aminao
Ahafahako mandray izay mba ho kinasanao
Ao no andrandraiko, ilay tsikitsiky tambitamby
Nefa toa noraisinao fitia mitady tamby !
Soa fa nisy serasera, ahitana sedram-piainana
Ka ny hevitry ny hafa mety hampiova foto-pisainana
Ao koa no mety hanovana ny famindra
Ka ny tontolo izay jinery no ataoko tsara rindra
Soa fa nisy serasera
Tsy ahatsiarovana ny lera !
|
|
|
| |
Today is Friday November 21, 2008
This page last modified Tuesday August 26, 2008
Printable version of this page [ PDF ]
[ PS ]
[ txt ]
|
|
|