|
|
| POEMS |
Setrasetra |
By Johs
January, 2005 |
|
Printable versions: [ PDF ]
[ txt ]
|
|
|
Nogoahanao tokoa 'ty foko,
Sy zay hany mba fananako,
Vono, ratra, sy toloko
Fa norovitinao 'ty lambako !
Ditsoka aho tsy jerena,
Potraka aho tsy tantanana,
Lazaina foana fa hagegena
Raha tojo mba tsy fahombiazana !
Setrasetra, havinirana
No nanjary fahazarana
Afobe tsy hay divirana,
Fa hay ! Fitia notambazana !
Trerona tsy ahoan-tsy ahona,
Lazaina fa hoe "isarahana",
Dradraina ny hoe : tsisy fotoana !
Na 'ray minitra aza iarahana
Kanefa dia tadiaviny eny,
Raha sendra ka tsy hita,
amorom-bala, ambody fefy,
fa sao hoe hono manao sipa!
Tsy avelanao mba hiantefa
'ty fo, fitiavana mirefa !
Matin-tsindrinao, hilefa
'ty lay fitia toa Setrasetra !
|
|
|
| |
Today is Friday November 21, 2008
This page last modified Tuesday August 26, 2008
|
|
|