all about madagascar madagascar
 Alina Iray 
 Alina Mangina 
 Antso 
 Any Ianao 
 Fantatro 
 Ho Inonao 
 Lazao 
 Safidy 
 Serasera 
 Tia 
 Tonokalo Ho Anao 
 Tsy Hita 
 Nofohazinao 
 Ity Fahantrako 
 Setrasetra 
 Tsiniko Ve 
 Ny Asa Soratrao 
 Ankalazaiko 
 Ilay Iny 
 Tia Ahy Izy 
 Fanahy Manina 
 Vovon-javona 
POEMS

“Tia”

By Mampikanto
August 18, 2003
Printable versions: [ PDF ] [ txt ]

Lonely Sailboat (Sergio) Lonely Sailboat
Photo: Sergio
Teny sarotra lazaina
Ny hoe “Tia”
Ary toa manimba saina
Indraindray ny mitia…

Saingy Tsy maintsy hoe mitia
Io fitiavana io mazana
Mampandefitra eritreritra tsy tana
Mahalasa ny vinany…satria tia !

Io fitiavana io anie
Raha tena alalinina
Toa zary hevi-dehibe
Ka mahatonga anao ho tia

Raha hitia anefa ho aiza ?
Zary sarotra ny dia
Tsy mora anie ny mitia !!!

Ho anao izay tafiditra
Mahereza izany dia
Vato sy sakana indrisy !!!

Hitia ianao ka dia mahereza
Fa ny fandrika mideza
Ikipio ka adinoy
Fa ilay fitiavana no banjino !!!

 
Today is Friday November 21, 2008
This page last modified Thursday August 21, 2008