all about madagascar madagascar
 Alina Iray 
 Alina Mangina 
 Antso 
 Any Ianao 
 Fantatro 
 Ho Inonao 
 Lazao 
 Safidy 
 Serasera 
 Tia 
 Tonokalo Ho Anao 
 Tsy Hita 
 Nofohazinao 
 Ity Fahantrako 
 Setrasetra 
 Tsiniko Ve 
 Ny Asa Soratrao 
 Ankalazaiko 
 Ilay Iny 
 Tia Ahy Izy 
 Fanahy Manina 
 Vovon-javona 
POEMS

Tonokalo Ho Anao

By Mampikanto
December 28, 2003 9:52 p.m.
Printable versions: [ PDF ] [ txt ]

Antandroy Desert (Africa) Antandroy Desert
Photo: You and Africa
Dia noraisiko ny penina, hanoratako ho anao
Toa mamolivoly ny ati-panahiko no indrisy fa injao
Irony vetsovetso sy ny eritreritra toa lafatra
Toa te-hahalala anao ry olona tsy fanatra !

Irony sombin-dahatsorany, irony andran-tonokalony
No manosika ahy te-hahafantatra ny kantony
Ilay fikasany te-hifanindran-dàlana
No nahavaka ny saiko teo an-tany ngazana

Hanoraty tononkalo aho hoy ianao tsy nisalasala
Dia nanoratra aho, saingy indrisy toy ny adala
Noho ianao tsy fantatro nefa mikiky ny adin-tsaiko
Ny fanirianao zato, mila haningotra ny aiko

Tonokalo iray mafonja no tokony atolotro anao
Nefa indrisy fa tsy mety fa toa lasa mivaona
Tonokalo iray tsara rindran miady rima
Saingy tsy mety vita na dia ianao aza efa liana !

 
Today is Friday November 21, 2008
This page last modified Tuesday August 26, 2008