all about madagascar madagascar
 Alina Iray 
 Alina Mangina 
 Antso 
 Any Ianao 
 Fantatro 
 Ho Inonao 
 Lazao 
 Safidy 
 Serasera 
 Tia 
 Tonokalo Ho Anao 
 Tsy Hita 
 Nofohazinao 
 Ity Fahantrako 
 Setrasetra 
 Tsiniko Ve 
 Ny Asa Soratrao 
 Ankalazaiko 
 Ilay Iny 
 Tia Ahy Izy 
 Fanahy Manina 
 Vovon-javona 
POEMS

Tsiniko Ve ?

By Johs
January, 2005
Printable versions: [ PDF ] [ txt ]

Lemur Catta (K. Lehmann) Lemur Catta
Photo: K. Lehmann
Amboaran-tononkalo mba finoroko ho an-dry,
Na dia tsy hoe tsara voatra !
Teny vitsivitsy monja, nofonosako fitia,
Dia injao fa nitroatra !

Gorisarisam-peniko ! Voasoratra ny anaranao !
Tsy tsinahiko akory !
Nampitony adin-tsaina sy nampisy ainga vaovao,
tonga ody sorisory !

Misy vetso miampita, voary an-tany lavitra,
Izaho saika toa tsy nino !
Ianao !! Tsy mbola fantatro, kintan-kely ery an-danitra,
Lavitra aho fa aza adino !

Tsotra kely, fohifohy, ity izy azafady !
Fa izao no vao natao !
Dia ho tsiniko ary ve raha somary vazivazy ?…
Ny atifoko mila anao.


 
Today is Friday November 21, 2008
This page last modified Tuesday August 26, 2008