|
|
| POEMS |
Tsy Hita |
By Mampikanto
October 20, 2003 4:13 p.m. |
|
Printable versions: [ PDF ]
[ txt ]
|
|
|
Any ambadiky ny tsy hita
Ao izy fa tsy tazana
No misy ilay malalako
No misy ilay tsy foiko
Tsy hitako, nefa … Toa lalaiko
Tsy tazako ianao, nefa … Toa iriako
Lalaiko mba ho namako
Iriako sa ho giaziko ho fananako !
Ny hakantonao ry aiko
Toa tsy afaka ato an-tsaiko
Ilay endrikao maranidranitra manify
No voafinatsiky ny foko iky !
Ny feonao indray toa milantolanto
Toa mambabo izany foko
Ny fankafizanao ny kanto
Mampisinda ny tolokoko
Oay ! Rediredy miaro hadalana kay ny ahy !
Hay izaho tsy mahalala fa tsy fantatrao akory
Mahavalabalaka fanahy !
Mila tsy ahitako tory !
|
|
|
| |
Today is Friday November 21, 2008
This page last modified Tuesday August 26, 2008
|
|
|